Malagasy

SOEURS DE SAINT-PAUL DE FRIBOURG

NY MOMBAMOMBA NY FIKAMBANANA

Anaran’ny Fikambanana sy daty niorenany

Sœurs de Saint-Paul de Fribourg. Fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe : Œuvre de Saint-Paul

Lakroan’ny Fikambanana

Ny Mpanorina

Ny mpanorina ny Fikambanana dia I Mompera Joseph Schorderet (1840-1893), teratany Soisa, nonina tao amin’ny canton iray antsoina hoe Fribourg. Olona tsotra ireo Ray aman-dreniny ary nobeazina tao anatin’ny finoana kristianina katolika izy. Vao 13 taona monja anefa izy, raha nampidirina hianatra tao amin’ ny Ecole cantonale de Fribourg, dia nisedra sahady ny fanoherana io finoana nitaizana azy io.

Fony mbola seminarista izy no efa nandalina ireo taratasin’I Md Paoly ary nifidy an’ity apostôly ity ho modely sy mpiaro azy.

Ny niandohan’ny Fikambanana

Tsy azo odian-tsy hita ny vanim-potoana sy ny zava-niseho tao Eoropa tamin’izany fotoana izany, raha tiana ny hamantatra ity Fikambanana naoriny ity.

Nanjaka ny fanenjehana ny Katolika sy ny fankahalana ny mpitondra fivavahana. Nitohy izany nandritra ny taona maro. Fa i Joseph Schorderet kosa nijoro hatrany ho vavolombelon’ ny fahamarinana sy ny fitiavana. Nohamasinina ho pretra izy tamin’ny taona 1866 ka tsapany tamin’ izay ny fiantraikan’ ny teny toriana sy ny teny raiketina an-tsoratra. Resy lahatra mihitsy aza izy ny amin’ny akon’ ny lahatsoratra afaka aelin’ ny trano printy. Ao ny boky, saingy ireo izay mandalim-pahaizana ihany no trany. Ny gazety kosa anefa sady manaraka ny zava-misy no mahenika mpamaky maro satria afaka hidirany daholo na ny lapa na ny tranobongo. Koa hoy izy: moa ve tsy fitaovana mahomby azo ampitaina ny  fahamarinana araka ny Vaovao

Mahafaly izany? Eny, tena fitaovana mahomby tokoa, kanefa ho zava-poana ihany raha tsy ombam-pitiavana an’ i Kristy sy ny Fiangonana. Namoaka soratra maro izy ary namorona gazety iray mivoaka isan’andro izy, antsoina hoe “La Liberté”, mba hiarovana ny fahalalahan’ny Fiangonana ary indrindra hampielezana ny Fahamarinana.

Iza no nanampo fa ireo zatovovavy Enfants de Marie nokarakarain’ i Mompera Joseph Schorderet no hiaraka hanatontosa “io tanjona io”. Izy ireo no namaky lay ity asa fanitarana ny Fanjakan’ Andriamanitra

amin’ny alalan’ ny boky aman-gazety ity. Hoy indrindra izy tamin’ireto tovovavy ireto : “Rankizy, vonona ve ianareo handao ny raiamandreninareo, ka hitafy ny ankanjon’ ny mpiasa, ary handoto ny tananareo noho ny fitiavana an’ I Jesoa Kristy? (satria mampiasa ranomainty ny asa izay hatao)

Tsiahivina fa tao Suisse tamin’ izay, dia tsy mba nanana anjara tamin’ ny asa fanaovam-pirinty toy itony ny vehivavy. Hany ka voatery nalefa hiofana tany Lyon (Frantsa) izy valo mirahavavy voalohany. Koa rahefa nisy ny fanenjehana mahery vaika dia masera tanora ireto no nandray an-tanana ny asa tao amin’ny imprimerie ka nivoaka sy nitohy soa aman-tsara ny gazety La Liberté, ary mbola hita ankehitriny.

Ny 8 desambra 1873 no niorina ny Fikambanana, ary ny 6 jiona 1874 no noraiketina an-tsoratra ny fototra iorenany.

Ny Mpiaro

I Masindahy Paoly Apostôly no nofidin’I Joseph Schorderet ho mpiaro ity Fikambanana ity.

Ny Tarigetram-piainana anankiroa

Nalaina avy ao amin’ny Taratasin’i Md Paoly :

Ho ahy ny miaina dia i Kristy (Fil 1,21)

Hampivondrona ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy (Ef 1,10)

Ny fanomezam-pahasoavana (Charisme)

zMitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny alalan’ny boky aman-gazety sy ny fitaovam-pifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina.

Aim-panahy

Ny fiainam-panahy mamelona ny Fikambanan’ny Soeurs de Saint-Paul dia notovozina tao amin’ireo fampianaran’I Md Paoly Apostôly. Misongadina amin’izany ireto Taratasy ireto : Filipianina 2, 1Kôrintianina 11, 1Kôrintianina 13, 2Kôrintianina 6, ary Romanina 12.

 

Librairie Catholique , Antsirabe

“Miaina an’i Kristy ary mamory ny zavatra rehetra ao Aminy, amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ ny alalan’ ny boky aman-gazety araka ny heviny malalaka indrindra.

Nantsoina ho Apôstôlin’ i Kristy Jesoa ao amin’ny Fiangonana noho ny fahasoavan’ Andriamanitra ny mpikambana tsirairay :

Miaina ao anatin’ny ankohonam-piainana velomin’ny Eokaristia sy ny fitsipika navelan’ny mpanorina,

Manokan-tena amin’ny voady 3 araka ny torohevitry ny Evanjely, dia ny voadin’ny fahantrana, fahadiovana ary fanekena.

Manolotra ny fiainana amin’Andriamanitra ao anatin’ny fivavahana, ny fandavan-tena, ny fitiavana mba hanamasina ireny fitaovam-pifandraisana eo amin’ny mpiara-belona ireny ka hahatonga azy ho vavolombelon’ny fahamarinana sy ny finoana.

Ny asa samihafa sahanina ao anatin’izany no fanompoana an’i Kristy sy ny Fiangonany. Ireny no hampitana ilay aina avy amin’Andriamanitra satria tsy ny vatana ihany no mila sakafo fa ny saina sy ny fo amam-panahy koa, hoy ny mpanorina ny Fikambanana. Amin’ny alalan’izany no itoriana ny harena tsy hita pesipesenin’ i Kristy, mba ho amin’ izy rehetra Andriamanitra ary hihavao ao amin’ I Kristy ny zavatra rehetra.

Centre Culturel Saint-Paul, Fianarantsoa

Ny sehatr’asa

Mampiely ny Vaovao Mahafaly amin’ny alalan’ny fanotam-boky sy fanotam-printy, fivarotam-boky, famakiam-boky, radio, Cyberespace (Editions, Imprimerie, Librairie, Bibliothèque, Centre culturel multi-média)

 

Librairie Saint-Paul Malaza                        Imprimerie Saint-Paul Fianarantsoa

Ny fielezany eran-tany

 

Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly manerana an’ izao tontolo izao no iraka miantefa amin’ny Soeurs de Saint-Paul.  Ankehitriny dia any Suisse, Vietnam, Burundi, Cameroun ary eto Madagasikara no toerana misy ny Fikambanana.

 

 Eto Madagasikara

Tamin’ ny taona 1957 no nahatongavan’ ireo Masera misiônera voalohany teto Madagasikara tao Antananarivo.

Tamin’ ny taona 1963, dia nifindra tao Fianarantsoa, ao amin’ ny Imprimerie Saint-Paul izay mbola iasana miaraka amin’ny Diosezy hatramin’ izao. Miandraikitra ny fanontana boky aman-gazety entina hanabeazana ny olona ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy. Miara-miasa amin’ny edisiona Ivonea, ary miandraikitra ny Trano fivarotam-boky Librairie Saint-Paul ao Ambatomena.

Tamin’ ny taona 1991 no nisokatra  ny ankohonam-piainana ao Antsirabe, izay miandraikitra ny Librairie Katolika, ny Centre culturel, ary ny Cyber.

Ao Antsirabe ihany koa no misy ny trano fiofanana na ny Noviciat, andraisana ireo tanora tonga hamaly ny antson’Andriamanitra miantefa aminy.

Tamin’ ny 3 jolay 2015 kosa no niorina ny communauté ao Malaza Andoharanofotsy Antananarivo, izay miandraikitra ny Librairie Saint-Paul eo anivon’ny paroasy EKAR Md Piera Malaza, ary koa Salle de lecture.

 

Ny Adiresy Maison Généralice : Œuvre de Saint-Paul,
Pérolles 38,
1700 FRIBOURG (Suisse)

Ny Adiresy Délégation eto Madagasikara :

Sœurs de Saint-Paul, Lot IB 258 Malaza Andoharanofotsy – 102 Antananarivo Atsimondrano

Tél. : 22 472 44 (communauté) na 034 12 164 90 (Librairie)

E-mail : rafaranirina@yahoo.fr